Fitambaran’ireo mpandrindra sy mpandamina ny fifamoivoizana hita anaty tanàna sy ivelan’ny tanàna.
1. Agents de la circulation
2. Feux tricolores
3. Panneaux
4. Balises
5. Signaux de chantier
6. Marquages aux sols
Agent de la circulation vue de face ou vue de dos: Tsy mahazo mandroso: Manaja ny mpampiasa lalàna avy any amin’ny ankavia sy avy any amin’ny ankavanana (priorité à gauche et à droite)
Agent de la circulation vue de profil: Mahazo mandeha tsy ampisalasalana (Priorité absolue)
Jiro mena: Tsy mahazo mandroso: Manaja ny mpampiasa lalàna avy any amin’ny ankavia sy avy any amin’ny ankavanana (priorité à gauche et à droite)
Jiro mavo:
Jiro maitso: Mahazo mandeha tsy ampisalasalana (Priorité absolue)
Feux secondaire ou quatrième feu:
Flèche maitso manondro miankavanana miara-mirehitra amin’ny jiro mena eo amin’ny jiro telo soratra (feux tricolore). Manome alalana ireo mpampiasa lalàna avy any amin’ny ankavanan-dalana indrindra andeha raha ivily miankavanana; saingy tsy maintsy manaja ny mpampiasa lalàna avy any ankavia sy ny mpandeha tongotra miampita.
Feux bonhomme miloko maitso: Jiro natokana ho an’ny mpandeha tongotra miaraka mirehitra amin’ny jiro mena eo amin’ny feux tricolores. Mahazo miampita eo amin’ny passage piéton ny mpandeha tongotra
Feux bonhomme miloko mena: Jiro natokana ho an’ny mpandeha tongotra miaraka mirehitra amin’ny jiro maitso eo amin’ny feux tricolore. Tsy mahazo miampita eo amin’ny passage piéton ny mpandeha tongotra
Mampitandrina ny panneaux de danger.
Anaty tanàna: 50 metatra
Ivelan’ny tanàna: 150 metatra
Mandrara
Tsy azo atao izay voalazan’ny ao anatin’ny takelaby
Tapitra ny fandrarana
Miverina amin’ny fitsipika ankapobeny
Mandidy
Tsy maintsy manaraka izay voalazan’ny takelaby
Tapitra ny Fandidina
Miverina amin’ny fitsipika ankapobeny
Miendrika efamira (carré)
Manome fanazavana ilain’ny mpamily
Miditra ny tanàna: Fotsy
Mivoaka ny tanàna: misy tsipika mena misompirana
Famantarana vita amin’ny béton mirefy 1m30 hita matetika any ivelan’ny tanana eny amin’ny toerana mampidi-doza ary ialohavana takelaby telozoro (manambara loza) any amin’ny 150 metatra.
Poteau miloko fotsy ranoray mitsatoka mamariparitra ny sisina fiolahana.
Poteau fotsy miloko mena ny tendrony ambony manambara lalana mihatery.
Poteau fotsy miloko mena eo amin’ny valahany mitsatoka eny amin’ny sampanan-dalana mitovy hery. Manaja ny fiara avy any ankavanana raha tsy misy fanambarana hafa.
Poteau mitovy endrika amin’ny panneau céder azo jerena manatrika sy miorirana mitsatoka eny amin’ny fihaonan-dalana roa tsy mitovy hery.
Ny avy any amin’ny lalana kely mahita ilay balise manatrika: manaja ny havia sy havanana (priorité gauche droite)
Ny avy amin’ny lalan-dehibe mahita ilay balise miorirana manana fahefana andeha aloha (priorité absolue)
Antsoina ihany koa hoe balise repetées : miverimberina mialohan’ny ahatongavana eny amin’ny lalam-by ka any amin’ny 150 m ny voalohany avy eo any amin’ny 100 m avy eo any amin’ny 50m
Ny fanamarihana loko amin’ny tany dia milaza ny:
Tsipika mitsitapatapaka mamaritra ny sisin- dalàna (délimite la chaussée). Azo hitsahina ny tsipika mitapatapaka (Je peux franchir ces lignes pour stationner)
Ligne mizara ny voies. Ny lalàna ankavanana indrindra no tsy maintsy aleha. Tsy tokony hanitsaka ny tsipika mitapatapaka raha tsy isongona.
Tsy azo hitsahina na isongonana ny tsipika mitohy
Tsipika mitsitapatapaka mifanakaiky manambara mialoha ny ligne continue. Miaraka amin’ny flèches de rabattement any ambanivohitra.
Ligne continue miaraka amin’ny ligne discontinue. Azo itsahina na isongonana raha aty amin’ny lalàna misy ahy (voie) no misy ny ligne discontinue. Tsy azo itsahina na isongonana kosa raha ny ligne continue no aty amin’ny lalàna misy ahy.
Manondro ny làlana tokony harahina arakaraky ny aleha.
Mety ho “bifides” (à deux pointes) ny flèches directionnelles ka afaka misafidy iray amin’ireo lalàna roa tondroiny.
Rehefa tafiditra amin’ny voie iray dia tsy tokony miova intsony.
Toerana voatokana ho an’ny bus. Voafiratra amin’ny zigzag mavo. Tsy azo ijanonana na ihatoana.
Toerana natokana ho an’ny mpandeha tongotra. Tsy maints mandeha mora na mijanona manome làlana ny mpandeha an-tongotra miampita. Toerana tsy azo isongonana na ijanonana.
Toerana fitsoahan’ny mpandeha tongotra eny amin’ny arabe be velarana. Tsy azo ijanonana na ihatoana.
Check out our shop to see what's available
Loading coupons...