Video leçon

7 Videos

Ireo fandrarana arrêt sy stationnement

-------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------------

Table of Contents

Inona no atao hoe arrêt? Inona no atao hoe stationnement?

Arrêt: Ny arret dia fiatoana vonjimaika eny amin’ny toerana nahazoana alalana (2 minitra raha be indrindra)

Ohatra: Mampiakatra na mampidina entana na olona…

arret pic

Stationnement: Fijanonana maharitra eny amin’ny toerana nahazoana alalana (15 andro raha be indrindra)

Ohatra: Miandry olona, mandeha mividy zavatra..

image stationnement

Inona avy ireo fandrarana ny arrêt sy ny stationnement?

Ireo panneaux mandrara arrêt/ stationnement

Arrêt interdit: Tsy azo iatoana na 1 segondra aza

arret interdit

Stationnement interdit: Fijanonana voarara fa fiatoana azo atao 

stationnement interdit

Emplacement bus

emplacement de bus

Emplacement Taxi

emplacement taxi

NB: Ny toerana voatokana ho an’ny bus na taxi dia tsy azo iatoana no tsy azo ijanonana satria manelingelina ny fiatoana na ny fijanonan’ny bus/taxi

Tous les panneaux de danger

les panneaux de danger

Tous les panneaux d’intersection

les panneaux d'intersection

Panneau milaza voie d’urgence (bande d’arrêt d’urgence)

bande d'arret d'urgence

Ireo marquage aux sols mandrara arrêt/ stationnement

  • Bande de cérame
bande de cerame
Inona no atao hoe bande de cérame?

Ny bande de cérame dia sisin-dalana miloko roa :

  • mena sy fotsy: stationnement interdit (tsy azo ijanonana)
  • manga sy mavo: toerana nahazoana alalana manokana (parking reservé)
  • fotsy ranoray: arret interdit
  • Ligne de rive
ligne de rive continue
Inona no atao hoe ligne de rive?

Ligne de rive: tsipika fotsy mitohy na mitsitapatapaka mametra ny arabe :

  • raha continu dia arret interdit 
  • raha discontinue  en ville : arret autorisé fa stationneent interdit, raha hors ville : arret et stationnement autorisé (eny ambony accotement)
  • Bande zébra
ilot directionnel
Inona no atao hoe "bande zébra"?

Bande zébra: 

Fitsoahan’ny mpandeha tongotra eny amin’ny arabe be velarana; raha en borne dia atao hoe ilot separateur tsy ka maintsy arahana izay voatondro (oblilgation de contourner) .

Antony : manelingelina ny fahitan’ny hafa sy ny mpandeha tongotra miampita 

  • Bande cyclable
bande cyclable
  • Bande d’arrêt d’urgence 
ligne de bande d'arrêt d'urgence
  • Rond point interplat
rond point interplat
  • Passage pour piéton
passage pieton

Ireo toerana samihafa mandrara arrêt/ stationnement

  • Manomboka eny amin’ny toerana ahitana takelaby mandrara ka atramin’ny fiafarany
  • Eny amin’ny toerana mampidi-doza samihafa: virage, intersection, sommet de cote, lalan-tery (chaussée rétrécie), lalana malama…

Virage

virage

Intersection

intersection sans visibilité

Sommêt de côte

sommet de cote

Route étroite

route étroite

Chaussée glissante

chaussée glissante
  • Eny amin’ny toerana tsy ampy ny fahitana: noho ny orana, zavona, setroka…
  • Eny amin’ny tranga manokana: travaux, accident…
  • Manoloana vavahady, station service
  • Manodidina ny dabam-pako
  • Manodidina ny fatson-drano (pompe)
  • Ao anaty Tanana raha tsy amin’ny toerana nahazoana alalana

Inona avy ireo karazana fomba fijanonana? (les differents types de stationnement)

Stationnement en ligne :

Mijanona mitovy zotra amin’ny trottoire (parallèle au trottoir)

Manao « marche avant » na marche arrière (raha crénaut)

sans titre 4

Stationnement en bataille :

perpendiculaire au trottoire ny fiara

manao marche arrière : midona amin’ny trottoire ny kodiarana roa ariana

stationnement en epi

Stationnement en épi ou en biais :

mijanona misompirana

manao marche avant. Midona amin’ny trottoire ny kodiarana manakaiky trottoire

stationnement en bataille

Inona avy ireo fepetra arahina rehefa hijanona amin'ny toerana iray?

  • Atao azo antoka fa tsy misy ny fandrarana

Arrêt interdit

arret interdit

Stationnement interdit

stationnement interdit

Debut de stationnement interdit

debut de stationnement interdit
  • Mampilaza fa hijanona (clignotant)
  • Mampidina ny hafanganam—pandeha
  • Manakaiky tsikelikely ny toerana ijanonana
  • Raha lalana “sens unique” dia atao eny amin’ny ankavia ny fijanonana
  • Raha lalana “double sens” dia atao manaraka ny fizotry ny fiara ny fijanonana
stationner sens unique

Fanamarihana: Tandremana ny « stationnement de ce côté » ka raha misy izay dia eny no mijanona.

Ahoana ny fijanonana anaty tanàna na ivelan'ny tanàna?

Raha anaty tanàna: tsy apekarina sisin-dalana (trottoire) ny fiara. Hajaina ny elanelana amin’ny fiara sy trottoire (30- 50 cm)

stationnement agglomeration

Raha ivealan’ny Tanana : Tsy maintsy eny ambony sisin’arabe (accotement)

stationnement hors agglomeration

Inona avy ireo karazana stationnement interdit?

Mizara telo ny stationnement interdit:

  • Stationnement génant: Fijanonana manelingelina. Ohatra: eny ampovoan’ny arabe, manoloana vavahady na station service, eny amin’ny sisin-dalana (trottoire), stationnement double file…
  • Stationnement abusive: fijanonana mihoatra ny fotoana voalaza. Ohatra fiara mijanona mihoatra ny 15 andro eny amin’ny “voie publique”.
  • Stationnement dangereux : fijanonana mampidi-doza. Ohatra : virage, intersection, sommet de côte…