Fiche de cours

VIdeo Leçons

Sommaire

Atao avy aiza ny fisongonana?

Amin’ny ankapobeny dia atao avy any ankavia ny fisongonana.

Tsy azo atao ny misongona avy any amin’ny ankavanana fa azo leferina rehefa: ​

  • Misy mpampiasa lalàna mandefa clignotant ankavia eo aloha
clignotant gauche
  • Misy laharana fiara mandeha mora na en panne eo aloha
fiara mandeha mora na en panne eny @ voie de droite

Firy metatra ny haben'ny arabe azo isongonana?

Amin’ny ankapobeny dia tokony eo amin’ny 6.5 hatramin’ny 7 metatra no haben’ny arabe azo isongonana. 

Azo atao ihany nefa ny misongona na latsaky ny 6.5 à 7 metatra aza ny arabe raha hita fa ampy ilaharan’ny fiara roa ilay arabe.

Tokony ahoana ny hafainganam-pandeha rehefa hisongona?

Tokony ho 20 km/h mihoatra ny fiara songonanany hafainganam-pandeha

Maharitra hafiriana ny fisongonana?

20 segondra farafahabetsany ny tokony aharetan’ny fisongonana

NB: Miankina amin’ny alehiben’ny fiara sy ny halavany

Tokony ahoana ny elanelana rehefa hisongona?

Fiara mijanona: 1 m farafahakeliny

Fiara mandeha: 0,5 m farafahakeliny

NB: Moto, bisikileta, sarety 1 metatra farafahakeliny raha en ville, ary 1,5 metatra raha hors ville

Inona avy no atao rehefa hisongona?

  • Atao azo antoka fa azo atao tsara ny misongona tsy misy fandrarana (panneau, marquage aux sols, toerana mety ampidi-doza)
  • Atao azo antoka fa ananana ny hery entina isongona
  • Mijery retroviseur sao misy mpampiasa lalala isongona
  • Mijery any aloha sao misy mpampiasa lalana avy ifanena
  • Mandefa anjomara atoandro na jiro mifandimby amin’ny alina (code phare)
  • Mandefa clignotant à gauche raha depassement à gauche
  • Atao azo antoka fa voarain’ny mpampiasa lalana ho songonana ny famantarana izay nalefa
  • Mampiditra vitesse matanjaka ; dia mikisaka tsara mba tsy andona ny mpampiasa lalana ho songonana
  • Ampiana kely ny acceleration mba andeha haingana
  • Rehefa tazana ao anaty retroviseur anatiny ilay mpampiasa lalana nosongonana dia mandefa clignotant ankavanana
  • Manery ny sisiny havanana tsikelikely

NB1: tsy adino ny mijery ny angle mort

NB2: Ny ahafantarana fa voarain’ny mpampiasa lalana ao aloha ny fangatahanao dia tokony mandefa clignotant ankavanana izy dia mampidina ny hafainganam pandeha dia manery tsar any sisiny havanana. Raha tsy hita mitranga izay zavatra izay dia aleo tsy misongona.

Aiza avy ireo toerana tsy azo isongoanana?

  • Eny amin’ny misy panneau mandrara izany ka hatrany amin’ny fiafaran’ny fandrarana

Takelaby mandrara fisongonana

depassement interdit

Takelaby mandrara fisongonana ho an’ny fiara mihoatra ny 3,5 T

interdiction de depasser pour vehicule de plus de 3,5 t

Takelaby manambara fiafaran’ny fandrarana fisongonana

fin d'interdiction
  • Eny amin’ny ligne continue
  • Anaty virage
  • Anaty sampanana
  • Eny antampom-piakarana
  • Tetezana
  • Lalan-tery
  • Tunnel
  • Fiampitana mpandeha tongotra
  • Lalana malama
  • Rehefa tsy ampy ny fahitana ny lalana noho ny orana, vovoka, zavona, setroka
  • Lalana mikitaotaona
  • Tranga manokana hafa (andiam-biby, accident, fiara en panne)
  • Rehefa hita fa tsy ho vita vetivety (haingana)ny fisongonana
  • Rehefa hita fa tsy manome lalana ny mpampiasa lalana ho songonana
  • Rehefa hita fa tsy voarain’ny mpampiasa lalana eo aloha ny fangatahana
  • Eny amin’ny lalam-by tsy misy mpiambina
  • Eny amin’ny toerana mety hampidi-doza rehetra

Aiza avy no tsy azo atao fa azo leferina ny fisongonana?

  • Tsy azo atao fa azo leferina ny fisongonana anaty tunnel na eny an-tampom-piakarana raha toa ka: voazarana ligne continue ny arabe ary ampy ilaharana fiara roa ny ilan-dalana iray
manque de visibilité mais separé par ligne continu
  • Tsy azo atao fa azo leferina ny fisongonana eny amin’ny sampanan-dalana raha toa ka priorité absolue
depassement priorité absolue
  • Tsy azo atao fa azo leferina ny fisongonana eny amin’ny lalam-by misy mpiambina raha to aka misokatra ny barriere
passage à niveau
  • Azo leferina ny fisongonana eny amin’ny fiolahana maromaro mifankahita na mifankatazana raha to ka tena mandeha mora ilay mpampiasa lalana ho songonana
  • Tsy azo atao fa azo leferina ny fisongonana eny amin’ny misy takela-by mandrara ny fisongonana saingy deux roues ny mpampiasa lalàna ho songonana

Azo atao ve ny misongona eo amin'ny 3e file?​

Tranga roa no mety hiseo:

  • Raha lalana sens unique dia aza atao tsara ny misongona eo amin’ny troisième file satria tsy atahorana hisy mpampiasa lalana avy hifanena
  • Raha double sens kosa dia tsy azo atao ny misongona eny amin’ny troisième file satria ny troisième file dia natao ho an’ny fiara avy hifanena