INONA NO ATAO HOE PERMIS B ?
Ny atao hoe « permis B » dia fahazoan-dalana omen’ny Centre Immatriculateur ahafahana mitondra fiara latsaky ny 3.5 t miraka amin’ny entana, misy toerana tsy mihoatra ny 9 miraka amin’ny mpamily. Azo hitarihina kalesy latsaky ny 750 kg. 18 taona no mahazo maka azy ary maharitra (permanent) ny permis B.

INONA AVY IREO FIARA AZO ENTINA AMIN’NY PERMIS B ?

- Fiara tsotra.
- Pompier tête de convoi: tsy maintsy efa nahazo permis B farafahakeliny 1 taona, 21 taona no ho miakatra, manana taratasy fanamarinana ara-pahasalamana ary fahazoan-dalana kaominaly (certificat communal).
- Fiara mpamonjy voina: mitovy fepetra amin’ny fiara mpamono afo, izany hoe efa nahazo permis B farafahakeliny 1 taona, 21 taona no ho miakatra, manana taratasy fanamarinana ara-pahasalamana ary fahazoan-dalana kaominaly.
- Taxi: tsy maintsy efa nahazo permis B farafahakeliny 1 taona, 21 taona no ho miakatra, manana taratasy fanamarinana ara-pahasalamana ary fahazoan-dalana hitondra taxi.
- Fiara fampianarana mitondra fiara (auto-école): tsy maintsy efa nahazo permis B farafahakeliny 3 taona, 21 taona no ho miakatra, manana taratasy fanamarinana ara-pahasalamana ary taratasy fanamarinana fahaiza-manao arak’asa.
- Fitaterana ankizy: tsy maintsy efa nahazo permis B farafahakeliny 1 taona, 21 taona no ho miakatra ary manana taratasy fanamarinana ara-pahasalamana.
- Fitaterana entana latsaky ny 3,5 taonina: mila permis B sy taratasy fanamarinana ara-pahasalamana.
Fanamarihana: Raha mila taratasy fanamarinana ara-pahasalamana (certificat médical) dia lasa permi vonjimaika ny permis B.
LES CAS DE SUSPENSION DE PERMIS DE CONDUIRE

- Tsy mijanona rehefa sakanan’ny manam-pahefana
- Tsy mijanona raha mahita jiro mena
- Tsy mianona raha mahita « panneau stop »
- Tsy manaja fiara tokony andeha aloha
- Mampitombo ny hafainganam-pandeha raha misy te hisongona
- Mandeha mafy noho ny hafainganam-pandeha voafetra
- Mandeha eny amin’ny ankavian-dalana tsy misy antony
- Manitsaka na manapaka tsipika lava mitohy
- Fijanonana mampidi-doza
- Fisongonana mampidi-doza
- Mitondra olona na entana mihoatra izay voasoratra ao anaty « carte grise »
- Mampiasa jiro phare raha mifanena
- Manao accident mandratra olona ka mandositra
- Tsy fandoavana lamandy ao anatin’ny 48 ora
- Miova lalana tampoka nefa tsy nampandre
- Mandeha na mijanona eny amin’ny lalana nefa tsy manao famantarana amin’ny alalan’ny jiro raha alina ny andro
LES CAS DE MISE EN FOURRIERE

Fijanonana (stationnement) tsy ara-dalàna, mampidi-doza na voarara (eo amin’ny fihaonan-dalana, tampon-kavoana, fiolahana, ary tsy eo ny mpamily)
Fijanonana manelingelina ny fampiasana ara-dalàna ny arabe, na manakana ny fidirana amin’ny trano sy toerana isan-karazany
Fijanonana maharitra tsy ara-dalàna: famelana fiara mihoatra ny 15 andro eo amin’ny lalam-bahoaka
Tsy fanatanterahana ny fitsirihana ara-teknika (visite technique) tsy maintsy atao, na tsy fanamboarana ireo lesoka voatondro taorian’ny fitsirihana
Fampiasana fiara fitateram-bahoaka tsy nahazoana alalana (tsy fananana carte violette, licence, na bokin’andraikitra/cahier de charges)
Taratasy tsy feno na tsy manara-dalàna
LES CAS D’IMMOBILISATION D’UN VEHICULE
Ny fiara iray izay mety hampidi-doza ho an’ireo mpampiasa lalana hafa dia azo sakanan’ny Sampan-draharaha mpanara-maso (Polisy, Zandary, sns.). Raha tsy voavaha ao anatin’ny 48 ora ny fandikan-dalàna, dia azo alaina sy tehirizina any amin’ny toerana fanagiazana fiara (fourrière) ilay fiara.
- Rehefa mamo ny mpamily
- Rehefa tsy manana fahazoan-dalana mamily (permis de conduire) ny mpamily
- Rehefa ratsy na tsy ara-dalàna ny toetry ny fiara (Mauvaise état de véhicule)
- Rehefa ny entana entina na ny fahasimban’ny fiara dia mety hanimba ny lalana
- Rehefa mandika ny sakana napetraka mandritra ny fotoanan’ny orana (barrière de pluie)
LES PAPIERS REGLEMENTAIRES

- PERMIS DE CONDUIRE : Taratasy fahazoan-dalana omen’ny Centre Immatriculateur ahafahana mitondra fiara misy maotera.
- VIGNETTE : taratasy fanamarinana ny fandoavana ny hetra isan-taona eny amin’ny Service de l’enregistrement et du timbre.
- ATTESTATION D’ASSURANCE : Taratasy fanamarinana ny fandoavana vola amin’ny orinasa fiantohana, izay natao hiantohana sy hiarovana ny mpampiasa lalana raha misy lozam-pifamoivoizana na fahavoazana.
Karazana fiantohana :
- Responsabilité civile: fiantohana tsy maintsy atao satria miantoka ny fahavoazana ateraky ny fiara amin’ny olona hafa na amin’ny fananany.
- Assurance facultative :
- Fangalarana ny kojakoja sy fitaovana amin’ny fiara
- Fangalarana manontolo ny fiara
- Fiantohana amin’ny fahamaizana
- Fahavakisan’ny fitaratra
- Fiantohana rehetra (Tout risque) izay mandrakotra karazana loza maro samihafa.
- CARNET DE VISITE TECHNIQUE : taratasy manamarina ny fitsirihana ara-teknika ny fiara atao eny amin’ny Foiben’ny Fiarovana ny Fifamoivoizana (Centre de sécurité routière).
Fe-potoana hanaovana fitsirihana ara-teknika :
- Fiara tsotra : isan-taona aorian’ny 5 taona nivoahany
- Taxi : isaky ny 4 volana
- Ambulance : isaky ny 6 volana
- Fiaran’ny mpamonjy voina sy lohalaharana (tête de convoi) : isaky ny 6 volana
- Fiara fitaterana ankizy : isaky ny 6 volana
- Fiara fitaterana entana latsaky ny 3,5 taonina : isan-taona mandritra ny 5 taona voalohany, ary aorian’izany isaky ny 6 volana
- Fiaran’ny auto-école : isaky ny 6 volana mandritra ny 10 taona voalohany, ary aorian’izany isaky ny 3 volana
Haut du formulaire
Bas du formulaire
- CARTE GRISE : taratasy fanambarana ny fampidirana fiara misy motera hivezivezy, omen’ny Centre Immatriculateur (CIM). Izy no karapanondrom-piara (Carte d’identité du véhicule).
Ny ao amin’ny carte grise :
- Nom + adresse + profession du propriétaire
- Marque du véhicule (Peugeot, Renault, …)
- Type du véhicule : 405, 205, ….
- Numéro dans la série du type (GR, GTI, …)
- Date de la première mise en circulation
- N° d’immatriculation
- Province
- N° de carrosserie ou châssis
- Nombre de places
- Poids total autorisé en charge = poids vide + charge utile
- Genre d’utilisation
- N° du moteur
- Source d’énergie
- Puissance administrative ou fiscale

