Video Leçons

intersection et priorité

10 Videos

Priorité à gauche

Priorité à droite

Priorité à gauche et à droite

Priorité absolue

Fiche de cours

Sommaire du cours

Intersection

Inona no atao hoe intersection?

Ny atao hoe « intersection » dia fifanampahana na fihaonana lalana roa na maromaro eo amin’ny toerana iray.

Inona avy ireo karazana intersection?

Misy karazany efatra ny intersection:

Intersection à 3 branches na misampana telo miendrika T na Y

intersection t and y 1

Intersectionà 4 branches na misampana 4 miendrika + na X

intersection en croix 1

Intersection multibranche na en étoile, misampana mihoatra ny 4 

intersection en etoile

Intersection avec rond point ou carrefour

intersection avec rond point

Inona no atao rehefa miditra intersection?

  • Mampidina ny hafangainam- pandeha
  • Manery ny ankavanana (serrer à droite)
  • Mampitandrina raha ilaina
  • Mamantatra sy mifandray amin’ireo mpampiasa lalàna hafa manodidina
  • Tsy mieritreritra ny isongona, ihato, ijanona (arrêt et stationnement),
  • Mijery ny marika mpandrindra ny fiafamoivoizana (signalisation routières) ary manaja ny priorité

Priorité

Inona no atao hoe priorité?

Ny atao hoe priorité dia fitsipika mifehy ny fifandeferana eny amin’ny sampanan-dalana

Inona avy ireo karazana priorité?

  • Priorité à gauche
  • Priorité à droite
  • Priorité à gauche et à droite
  • Priorité absolue

Priorité à gauche

Inona no atao hoe priorité à gauche?

Fanajana ireo mpampiasa lalàna avy any amin’ny ankavia ka izay manana ankavian-dalana malalaka no mandeha aloha

Inona avy ireo famantarana ny priorité à gauche?

Rehefa mahita ireto famantarana ireto eo amin’ny sampanan-dalana iray dia manaja ny priorité à gauche

  • Feux sécondaire ou 4ème Feu ka tsy ahitana fanambarana hafa.

Ny quatrième feu na feu secondaire dia flèche maitso, na flèche mavo mipipika, manondro miankavanana miara-mirehitra amin’ny jiro mena eo amin’ny jiro telo soratra (feux tricolore). Manome alalana ireo mpampiasa lalàna avy any amin’ny ankavanan-dalana andeha raha hivily miankavanana; saingy tsy maintsy manaja ny mpampiasa lalàna avy any ankavia sy ny mpandeha tongotra miampita.

quatrième feu 1
  • Panneau ‘céder le passage’ à chaque branche d’intersection ka tsy ahitana fanambarana hafa
panneau ceder à chaque branhe
  • Panneau ‘céder le passage’ misy soratra priorité à gauche ka tsy ahitana fanambarana hafa
ceder priorité à gauche
  • Panneau ‘céder le passage’ avec sens giratoire obligatoire
ceder avec carrefour à sens giratoire
  • Panneau ‘céder le passage’ avec obligation d’aller à droite ka tsy ahitana fanambarana hafa
ceder obligation d'aller à droite
  • Bande blanche 50 cm discontinue manerana ny sampanan-dalana ka tsy ahitana fanambarana hafa
bande blanche isaky ny sampan dalana

Priorité à droite

Inona no atao hoe priorité à droite?

Fanajana ireo mpampiasa lalàna avy any amin’ny ankavanana ka izay manana ankavanan-dalana malalaka no mandeha aloha. 

Inona avy ireo famantarana ny priorité à droite?
  • Sampanan-dalana tsy misy famantarana
intersection tsy misy fanambarana
  • Feux jaune clignotant ka tsy misy famantarana hafa
feux jaune clignotant
  • Ireto panneaux ireto ka tsy misy famantarana hafa

Intersection de deux routes de même valeur (dangereux)

intersection de deux routes de meme valeurs

Panneau céder avec obligation d’aller à gauche

ceder obligation d'aller à gauche

Sens giratoire obligatoire, tsy misy famantarana hafa

sens giratoireobligatoire

Fin de route prioriaire ka tsy misy famantarana hafa

routreprioritaire

Balise d’intersection ka tsy misy fanambarana hafa

balise d'intersection

Priorité à gauche et à droite

Inona no atao hoe priorité à gauche et à droite?

Fanajana ireo mpampiasa lalàna avy any amin’ny ankavia sy avy any amin’ny ankavanana ka rehefa malalaka ny ankavia sy ny ankavanana vao mahazo mandeha.

Inona avy ireo famantarana ny priorité à gauche et à droite?

Raha mahita ireto eo amin’ny sampanan dalana iray dia manaja ny priorité à gauche et à droite

  • Mpitandro ny filaminana hita manatrika na manome lamosina (vue de face ou vue de dos) 
agent face ou de dos
  • Jiro telosoratra miloko mena
feux tricolore rouge
  • Rehefa mahita ireto panneaux ireto

Panneau stop

stop

Panneau céder le passage tokana

ceder tokana

Panneau céder le passage en diagonale

aerial scene of intersection

Bande blanche 50 cm discontinue en diagonae na tokana

aerial scene of intersection

Balise de priorité vue de face

e1eebbdd 1634 4520 987f ad30374e822e

Bande blanche 50 cm continue

bande blanche 50 cm continu

Priorité absolue

Inona no atao hoe priorité absolue?

Fahazon dalana mandeha eny amin’ny sampanana na tompom-pahefana madeha mialoha

Inona avy ireo famantarana ny priorité absolue?
  • Mpitandro ny filaminana hita miorirana (vue de profil)
  • Jiro maitso eny ami’ny jiro telosoratra
  • Rehefa mahita ireto famatarana ireto

Panneau lalan-dehibe mifanapaka amin’ny lalan-kely

priorité ponctuelle

Fiandohan’ny lalana manam-pahefana

routreprioritaire

Panneau Passage protégé

passageprotegé

Balise de priorité vue de profil

balise de priorité vue de profil

Inona avy ireo véhicules prioritaires?

  • Ny fiaran’ny filoham-pirenenana
  • Ny polisy sy ny zandary
  • Ny mpamonjy trano may (pompiers)
  • Ny mpitondra marary (ambulances)
  • Ny fiara mpitatira volan’ny banky 
  • Ny “convoi exceptionnel” (faty, mariazy, enta-mavesatra…)